Actualités

Ambatondrazaka Zazarano narian-dreniny, efa nivoaka olitra vao hitan’ny Fokonolona


  • Talata 30 Jolay 2013

Nampivarahontsana ireo izay naheno ny zavatra nitranga tao amin’ny Fokontany Avaradrova Atsimo, Kaominina Ambatondrazaka.

Zazarano tokony fito volana an-kibo teo no nisy nanary tao anatin’ny lavapako. Olona nandeha nitady toerana hivoahana no naheno zavatra ratsy fofona omaly maraina. Rehefa notomorin’ilay olona ilay izy dia avy ao anaty fanariam-pako no miainga ny fofona. Vao nankeo amin’ilay fanariam-pako anefa izy dia akory ny hatairany nahita ilay razana kely efa tsy eo intsony ny ilam-batany ambany sy ny tanany ary efa mamoaka bibikely ny vatany. Nilaza io zavatra hitany io tamin’ny  tompon’ny trano itoerany ilay olona, ary ireo farany no nampandre ny sefom-pokontany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny sefom-pokontany Avaradrova Atsimo, Rakotonanahary Olivier ka nampandre ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo hizaha ny zava-misy. Raha ny fahitana ilay razana dia nalevina tao ambany fako ka rehefa niakatra ny fofona dia nohadian’ny alika. Marihina fa zipo mena no namonosana ilay zazarano. Efa misy ny olona ipetrahan’ny ahiahin’ny manodidina ho nahavanona izao zavatra mamohehatra izao, saingy ny mpitandro ny filaminana no tompon’ny teny farany.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT