Araka ny fanazavana dia somary sahirana ara- pivelomana ny Ray aman-
dRenin'ity zaza ity voaholan’ny vadin’ny zokiny, ary dia sahirana ihany amin'ny fikarakarana azy, manoloana izany dia nafaran'ny zokiny hipetraka taty Antananarivo. Ny vadin'ity zokiny ity moa dia mpamily manao zotra Ambatondrazaka Antananarivo, ary raikitra fa hiaraka aminy hiakatra. Araka ny fanazavan'ity zaza hatrany dia rehefa teny an-dalana, dia safosafon'ity lehilahy ity izy, noho ny avy eo anefa dia nomeny rano ilay zaza ary dia tsy nisy zavatra tsaroany intsony raha tsy tonga tany Antananarivo. Gaga ihany anefa ilay zaza rehefa nahatsiaro tena fa dia rovitra ny kilaoty kely ary narary ny fivaviany, indrindra rehefa mamonjy gabone. Taoriana kely anefa dia niteny indray ilay zokiny any Antananarivo fa dia hoe aleo alefa mody any Ambatondrazaka indray izy fa manelingelina ny tokantranonay. Akory anefa fa rehefa tonga teo Ambatondrazaka dia mbola mitohy ilay aretina, mbola marary ihany ary avy hatrany dia nentina tamin'ny mpitsabo ary dia voaporofo fa fanolanana tokoa no nahazo ity zaza. Niditra an-tsehatra ny Foibem-paritry ny Minisiteran’ny Mponina Alaotra Mangoro. Hatreto dia mbola ao anatin'ny fanadihadihana ny rehetra ka handrasana ny tohiny, hoy ny vaovao navoakan’ny onjam-peo Barawa FM Alaotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.