Actualités

Ambatondrazaka Tovovavy mpianatra 5 no voaolana tao anatin’ny iray volana


  • Talata 22 Martsa 2022

Mirongatra ny fanolanana ao amin’ny Fokontany Antsahalava, kaominina ambonivohitr’Ambatondrazaka. Tovovavy kely miisa 5 no indray lasibatra tao anatin’ny iray volana.


 Vao tamin’ny sabotsy alina teo raha araka ny vaovao voaray dia tovovavy kely vao 14 taona monja, mpianatra ao amin’ny taona fahafito, izay hapetraky ny Ray aman-dReniny irery ary manofa trano no voaolana. Raha araka ny fanazavan’io tovovavy kely io dia roalahy ireo nanao an-tery setra namoha ny tranony tamin’ny alalan’ny bara pince tamin’io sabotsy alina io. Nentiny avy hatrany ilay zaza tsy manan-tsiny taorian’izany niala kely ilay trano fonenany, raha navelany tao an-trano kosa ilay zandriny kely. Rehefa avy nifandimbiasan’izy roalahy io zakan’olona io dia noroahiny mba handeha hamonjy ny trano fonenany no sady mbola narahiny vava fa vita ny nataony ka tsy ilainy intsony. Mba nitaraina anefa aho fa matahotra ny hiverina hody irery hoy hatrany ity tovovavy kely ity saingy tsy nahoan’ireo mpanolana ireo mihitsy. Miantso ireo Ray aman-dReny mampanofa trano samy irery ny zanany manovo fahalalana ao an-tampon-tananan’Ambatondrazaka araka izany ny Ministeran’ny mponina any an-toerana mba hanara-maso ireny menaky ny ainy ireny. Tokony hisy hatrany ny mpiantoka ireny ankizy ireny hoy hatrany ny ministera fa tsy jerena fotsiny amin’izao. Etsy an-daniny horaisin’ny mpitandro ny filaminana an-tanana ny fikarohana ireo mpanolana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT