Actualités

Ambatondrazaka Ratsy kalitao ny fanamboaran-dalana


  • Zoma 13 Mey 2016

Maneho ny ahiahiny amin'ny faharatsian’ny kalitao fanamboarana ny lalana ao Ambatondrazaka ny vahoaka.

Toa peta-toko sy tsy misy endriny ilay izy ka nahatonga ny mponina any an-toerana hiloa-bava fa ratsy ny fanaovana ilay ampahan-dalana. Efa tapitra rahateo ny fe-potoana dimy volana tokony ho namitana ny asa. Raha nanontaniana ny ben'ny tanànan’Ambatondrazaka dia nambarany fa ny orinasa Ambatovy irery no afaka miresaka amin'ilay orinasa manatontosa ny fanamboarana. Mipetraka ankehitriny ny ahiahin’ny mponina fa zavatra tsy araka ny noeritreretina no hatolotr’Ambatovy ny kaominina Ambatondrazaka. Fantatra moa fa ny 23 mey izao no hidina any an-toerana ny orinasa Ambatovy hijery ny fahavitan’ny asa. Raha ny tsikaritra anefa dia toa manaiky mora foana izay zavatra vitan’ilay orinasa ry zareo Ambatovy.                                                                                                 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT