Actualités

Ambatondrazaka Rangahy mpanao trano nanolana zaza 6 taona


  • Zoma 08 Janoary 2021

Zazavavikely vao 06 taona monja no fantatra fa tratry ny fanolanana nataona

 

 

 

rangahy iray 50 taona ny 05 janoary lasa teo tao Antanifotsy Ambatondrazaka, Faritra Alaotra-Mangoro. Sendra tsy teo ny renin'ity zaza tsy manan-tsiny ity izay antsoina hoe : Sandafitia no nararaotra nanao ny filan-dratsiny taminy ilay rangahy mpanao taon-trano (maçon. "Dadan'i Bam" no fiantso ity farany izay manao trano mifanila amin’izy ireo. Rahefa tonga ilay Renim-pianakaviana dia nahatsikaritra rà mikoriana tamin'ilay zaza ka nitory teny amin'ny zandarimaria avy hatrany.Araka ny famotorana fohy dia notondroin'ity zaza voaolana ity tsy tamim-pihambahambàna ilay rangahy izay nanolana azy. Mitohy ny famotorana saingy mbola raiki-tahotra ilay zaza izay nampitahorin'ilay rangahy fa ho vonoiny raha milaza na mitantara ny fisehoan-javatra. Efa manaraka fitsaboana sahaza azy ao amin'ny CSBII Ambohimasina moa i Sandafitia kely amin’izao. Tsiahivina moa fa mety hampigadra asa an-terivozona mandrapahafaty ny fanolanan-jaza.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT