Nipoahan’ny varatra ny fonjaben’Ambatondrazaka. Trano kely iray fanaraha-maso ireo voafonja no potika tanteraka.
Nandritra oram-baratra nitranga tany an-toerana ny alin'ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin'ny 09 ora latsaka no nisian’izany.Vokany, mpiandry fonja iray no naratra raha ary tapaka ihany koa ny jiro tao an-toerana. Nisy tamin'ireo mponina teo amin'ny manodidina ihany koa no may ny tanany raha mbola nilalao finday ary simba ireo takamoa tao amin'ny trano fonenan'izy ireo. Marihina moa fa tena mamono olona ny varatra. Ankoatra ny fialofana eny ambodihazo dia anisan’ny tena tsy tiany ny filalaovana finday na koa fandefasana vata fahitalavitra na dia ao an-trano aza.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tranokely ravan’ny varatra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.