Actualités

Ambatondrazaka Narian-dreniny teny an-dalana iray zazavavikely 2 taona


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Zazavavy kely manodidina ny 2 taona eo no hitan'olona narian-dreniny teo amin'ny lalana Sylla midina mankany Ambalabako, Ambatondrazaka

omaly maraina, raha ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena ao Ambatondrazaka, tokony ho tamin'ny 10 ora teo. Harona kely nisy lamba ary vola 10.000 Ariary no nampiarahany taminy. Nahita io zaza io nitomany irery ny ramatoa iray izay mipetraka eny Tanambao, mpikarama manasa lamba manodidina an'io toerana io. Nentiny teny amin'ny fokontany ilay zaza ary nomen'ny fokontany taratasy izy. Nentiny taty amin'ny polisy Ambatondrazaka avy eo. Noraisinay ary napetraka vonjimaika any amin'ity ramatoa ity aloha ilay zaza mandra-pahita izay mety ho fianakaviany na koa mandram-piandry izay mety ho fanapahan-kevitra momba azy, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Ny laharan-tariby 0346799856 moa no antsoina raha misy manam-baovao mikasika ny fianakavian’ity zaza ity, hoy izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT