Actualités

Ambatondrazaka Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona


  • Talata 07 Desambra 2021

Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Zazavavy kely iray vao 11 taona indray no fantatra fa naolan’ny vadin’ny anabavin-dRainy in-telo

 nisesy saingy tsy sahy nitarainana tamin-dRay aman-dReniny sy ny havany mihitsy tao anatin’ny herinandro maromaro. Norahonan’io dadatoany io ho faty ilay zaza raha vao mitantara ny zava-misy raha araka ny fitarainany. Tsy sahy mamaly mihitsy aho ary manao izay tiany hatao izy hoy ilay zaza na dia efa mitomany aza aho. Tampenany ihany koa ny vavako hoy izy mba tsy hisy hahare rehefa mikiakiaka dia tahaka izay hatrany no hanaovany ahy. Rehefa tena nahatsiaro narary anefa ity zaza ity dia vaky nitaraina ihany. Mpanolana zaza tsy ampy taona iray nitsoaka teny am-pitsarana azy ihany koa no saron’ny zandary soa aman-tsara ka sahy nitoroka niaraka tamin’izay ity zaza tsy manan-tsiny ity. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ny raharaha.
Pati
Legende : Miditra hopitaly tahaka izao amin’ny ankapobeny ireo ankizy voaolana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT