Actualités

Ambatondrazaka Miparitaka ny rongony


  • Alarobia 31 Jolay 2013

Vokatry ny krizy dia betsaka ny olona no manaotao foana sy tsy mandinika intsony ny zavatra ataony.

Maro ny tanora no voasarika amin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Ny faran’ny herinandro lasa teo izao dia rongony enina kilao no saron’ny zandary tao Imerimandroso. Rongony saika hamatsiana ny tsenan’Anjoma Ambatomainty sy ny renivohitra Ambatondrazaka io saron’ny mpitandro ny filaminana io. Nasesika tao anaty gony ary avy eo natsofoka tao anaty sakosy lehibe ilay rongony dia nentina tamin’ny bisikileta. Somary nanaitra ny zandary ny fahitana ilay bisikileta toa mivesatra entana kanefa tsy hita soritra akory hoe mavesatra. Nosavaina avy hatrany, ka sarona teo fa zava-mahadomelina no nentina tamin’ilay bisikileta. Fantatra fa betsaka ny toerana mandray ireny rongony ireny any Alaotra, saingy mbola ao anatin’ny fikarohana izany ny mpitandro ny filaminana. Ny alatsinainy teo no niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka ity raharaha ity.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT