Actualités

Ambatondrazaka Maty notsatohan’ny vadiny antsy ilay vehivavy


  • Zoma 29 Aprily 2022

Renim-pianakaviana 35 taona no maty tsy tra-drano notsatohan'ny vadiny tamin’ny antsy tany Ambatondrazaka.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia teo amin'ny foto-tsofiny ankavia no notsatohany antsy afak’omaly alarobia 27 aprily alina, tranga niseho tao Manakambola. Nandriaka ny ra tao an-trano vokatr’izany raha natahotra ilay Rangahy ka lasa nandositra nitsoaka. Mbola tsy hita moa ity farany hatramin’ny fotoana nanoratanay. Mbola tsy fantatra mazava ihany koa izay antony namonoany ity vady andefimandriny ity. Ny hany azo antoka dia mety nandray zava-mahadomelina mahery vaika ilay Rangahy na koa tezitra mafy nentin’ny fony noho ny fifamaliana raha nisy izany ka nihafara tamin’izao famoizana ain’olona izao. Efa eo am-pikarohana ilay nahavanon-doza moa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT