Actualités

Ambatondrazaka Lehilahy iray nitsoraka tao ambany kamiao


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Lehilahy iray vao 30 taona mahery no fantatra fa nitsoraka tao ambany kamiao tao Ambohimasina an-tampon-tananan’Ambatondrazaka omaly Alarobia 13 Jolay maraina.

Raha araka ny fantatra dia tao alohan'ilay kodiarana lehiben’ilay kamiao no nitsoraka Itompokolahy ka maty tsy tra-drano. Efa raim-pianakaviana anefa izy. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia nisy traktera nandalo avy amin'ny lalana ambadik’Itompokolahy ka izy avy any amin’ny ilany, tranga voalohany niseho. Nitsoraka teo alohan’ilay izy nandritra izany saingy tafajanona tampoka ilay mpamily ka avotra ihany ny anaolahy. Nanao toy izany koa izy tamin'ny moto iray taorian'ilay traktera saingy nahatazona tsindry hisatra kosa ilay mpamily", hoy ireo ny fanazavan'ireo nanatrika sy nahita ity loza ity. Ilay kamiao, zotra-pitaterana fanintelony araka izany no nahalavo azy, tranga izay nambaran’ireo fianakaviany fa efa nanaloka azy. Nilaza ho nahita aloka mainty mantsy Itompokolahy tao anatin’ny torimasony andro vitsy lasa izay. Efa maty vady moa izy, antony mety nampamoy fo azy nefa misy ihany koa ireo nanombatombana fa mamo Itompokolahy nandritra ity fotoana namonoany tena ity. Nangonin’i Pati
Legende : Namoy ny ainy tahaka izao ilay lehilahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT