Mafana ny fiainam-piarahamonina any Alaotra amin’izao fotoana izao. Niteraka savorovoro tany Ambatondrazaka ny feo miely ho fisamborana ny Ben’ny tanŕna Andriamanirison Jacques Nirina Nampoizina.
Nambaran’ity farany fa nandray ny andraikiny hatrany ny tenany teo amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fanajana ny tany tan-dalàna. Tsy mankasitraka velively ny zavatra tsy ara-dalàna ny tenany ary vonona handray ny andraikiny raha misy ny fanapahan-kevitra hiarahan’ny tompon’andraikitra rehetra mianga avy any amin’ny ministera mandalo amin’ny Faritra sy ny Distrika ary mipaka any amin’ny Kaominina. Tsy ny Ben’ny tanàna samirery, hoy izy no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ny lalàna fa eo ny mpitandro ny filaminana sy ny Faritra ary ny Distrika.
Tsy mbola nandà ny fanapahan-kevitry ny fitondrana foibe ny tenany tamin’ny fampiharana ny fepetra mahakasika ny resaka fitrandrahana tsy ara-dalàna any amin’ny Kaominina Didy. Nohamafisiny fa nitandro hatrany ny maha tany tan-dalàna an’Ambatondrazaka ny tenany hatramin’ny nanombohany ny fitantanana ny tanàna ka hatramin’izao vanim-potoan’ny tetezamita izao. Maneho ny fahavononana hatrany ny tenany amin’ny fametrahana ny ara-dalàna ao amin’ny Kaominina izay tantanany. Manomboka mifamorivory avokoa ireo vatan-dehilahy ao Ambatondrazaka raha vao nahare ny fanambarana nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena tao amin’ny onjam-peo iray. Afo miotrika io raharaha io raha tsy voavaha ny tompon’andraikitra.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.