Ambatondrazaka

> Namono sipa tsy nety hanao firaisana, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka


  • Alakamisy 17 Oktobra 2013


Efa nivadika biby mihitsy ny olombelona ankehitriny. Tsy voahaja intsony ny hasina maha olombelona. Ankizivavy kely iray tokony 7 taona no namoy ny ainy vokatry ny herisetra nihatra taminy ny fiandohan’ity herinandro ity. Lehilahy sahabo 25 taona no namono io ankizivavy io tamin’ny fomba feno habibiana rehefa tsy nanaiky hanao firaisana ara-nofo aminy. Namoy ny ainy ilay ankizivavy kely taorian’ny vono nahazo azy. Vao nahita ny zavatra niseho ny Fokonolona tao Ambaiboho Ambohitsilaozana dia tezitra ka nisambotra ilay rangahy sy nidaroka azy. “Maso solon’ny maso ary aina no solon’ny aina”, hoy izy ireo. Tsy nihambahamba akory ireo Fokonolona nidaroka sy nively ny lohan’ilay rangahy tamin’ny vato lehibe ka tapitra koa ny ainy. Efa zary mahazo vahana any Alaotra izao ny fitsaram-bahoaka raha any amin’iny Faritra Alaotra iny. Efa mandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana. Mbola betsaka ny olona mitaky ny hamerenana ny DAS any an-toerana.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT