Ankizivavy nilalao ankiafina tao amin’ny Fokontany Antanifotsy no nalaina tovolahy an-kolaka ho any an-tranony fa hoe ao ilay ankizy tadiavina no miafina.
Vao tafatsofoka tao an-trano anefa ilay ankizivavy sivy taona dia nidian’ilay tovolahy ny trano ary niteny tamin-drazazavavy hoe : jereo amin’ireo film ireo izay tian-dry fa hojerentsika ! Gaga sady natahotra ilay ankizivavy ka namaly tsy satry ny tenin’ilay tovolahy hoe tsy hitako izay hojerena. Nony avy eo, nalefan’ilay tovolahy ny horonantsary mamoafady dia nasainy niboridana ilay ankizy vavy ary nanamparany ny filan-dratsiny. Norahonany hovonoina ilay ankizivavy raha miteny amin’olona. Iray andro taorian’io vao nitaraina tamin’ny reniny ilay ankizivavy fa marary ny ao amin’ny elakelam-peny. Teo vao fantatra fa nisy nanolana izy.
Rehefa nofotoran-dreniny ilay ankizy vavy dia nilaza ny toerana misy ilay tovolahy nanolana azy. Nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana ka omaly ihany dia efa eo am-pelatanan’ny polisim-pirenena ao Ambatondrazaka ny raharaha. Mandà hatrany ny fiampangana azy moa io tovolahy io, fa ny famotorana ataon’ny polisy no ahitana ny tena marina ao aoriana ao. Manamafy ilay zazavavy sy ny reniny fa fanolanana no nahazo ilay ankizivavy ary izay no nitarika aretina ka mahatonga ny fivavian’ilay zazavavy mamoaka ra tsy mijanona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.