Trano iray teny Ambatonakanga Boriborintany Voalohany, no nirodana ny marainan’ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany.
Tsy nisy naratra na aina nafoy. Vokatry ny asa fikaohana tany nataon’ireo mpanao trano nifanila taminy no voalaza fa nitarika fihotsahan’ny tany ka nampirodana ity trano ity. Fanomezan-dalana vonjimaika tamin’ny taona 2015 no nampiasain’ny mpanorina ary tsy mbola nanavao izany izy, ka tsy manana ny fahazoan-dalana ara-dalàna hanorina izy ireo hatreto, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo. Voalaza ao amin’ny fanomezan-dalana vonjimaika fa tompon’antoka tanteraka amin’izay zava-mitranga eo amin’ny tany, izay manorina eo, amin’izany fahazoan-dalana vonjimaika izany. Milaza ny mbola hanohy ny fanadihadiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ary mampitandrina fa handray fepetra henjana ho an’ireo rehetra minia mandika ny lalàna velona.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.