Actualités

Ambatomifanongoa ”Parlemantera iray no lehiben’ny dahalo”, hoy ny Ben’ny tanŕna


  • Zoma 27 Aprily 2012

Vaky bantsilana ary fanta-bahoaka any Ambatomifanongoa, Kaominina iray ao anatin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana izao fa Parlemantera iray no fositra tsy mampilamina ny tanŕna hatramin’izay.

 Nirongatra ny asan-dahalo sy ny vono olona noho ny fisian’ny lehiben’ny mpanao ratsy araka ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’Ambatomifanongoa, Andrianaivolala Razafimahefa Jean Philippe Jocelin, izay natao an-taratasy mirakitra ny fitarainan’ny vahoaka nalefan’izy ireo any amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony nanomboka omaly alakamisy 26 aprily 2012. Nohamafisin’ingahy Ben’ny tanàna fa olona efa halam-bahoaka ary efa nisazy ity Parlemantera tondroin’izy ireo ho Lehiben’ny dahalo ity. Nomarihin’ilay fanambarana fa manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny ady atao amin’ny asan-dahalo ny mpitondra isan’ambaratongany ao amin’ny Distrika sy ny Kaominina toy ny fametrahana ny dinam-paritra sy Kalôny ary ny “lisitra mainty” ankoatra ny fametrahana mpitandro ny filaminana isaky ny Kaominina saingy mbola mirongatra ny asan-dahalo, ka miantso vonjy amin’ny fitondrana foibe ny vahoaka ao amin’ny Kaominina telo mifanakaiky dia Soavina, Ambondromisotra ary Ambatomifanongoa mba handray fepetra haingana fa efa miraviravy tanana ny vahoaka

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT