Actualités

Ambatomifanongoa Mandrahona an-taratasy ny dahalo


  • Talata 20 Martsa 2012

Tsy zakan’ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Ambatomifanongoa, Soavina ary Ambondromisotra intsony ny fangalaran’omby sy famonoana olona miseho matetika miaraka amin’ireo fandrahonana ataon’ireo dahalo mpangalatra omby.

 Tsy vitan’ny manafika tanàna sy mangalatra omby fotsiny ireo dahalo amin’izao fotoana izao fa mandrahona an-taratasy sy mandefa fandrahonana mialoha ka mihatra avokoa izay ambaran’izy ireo. Tao amin’ny Kaominina Ambatomifanongoa manokana dia taratasy sy feo naely milaza fandrahonana fa ho avy matetika hanafika ireo dahalo ato ho ato ka tsy avelanay raha tsy ringana ny omby manerana ny Kaominina. Ankoatra izay dia ambaran’ny fandrahonana ataon’ireo dahalo fa tsy ny omby intsony no hanosy tanimbary ao Ambatomifanongoa fa ny alika amin’izay ka miomàna ianareo vahoaka. Mafy sady manindrona ny hambom-pon’ny mponina izany ka nilaza ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita iray ao Ambatofinandrahana fa halevinay miaraka amin’ny alika ny dahalo tratranay manomboka izao satria ho mafy ny ady atao amin’ny asan-dahalo. Efa mampihatra ny “Lisitra mainty” na ny fandraketana ny anaran’olona ahiahiana ho olon-dratsy ao amin’ny fiarahamonina ny Distrikan’ Ambatofinandrahana amin’izao fotoana izao.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT