Lehilahy iray, 40 taona, no saron'ny Fokonolona nisoloky ho mpiasan'ny sampandraharahan'ny hetra ao Ambatolampy omaly maraina.
Tonga nisava tsena iray izy io ary nitaky avy hatrany ny vola matin'ilay tsena sy ny taratasy manamarina ny nandoavan'io tsena io ny hetrany. Teny am-piandohana dia natahotra ilay mpivarotra. Rehefa nandeha teo kosa anefa ny resaka nifanaovan'ny roa tonta dia tsikaritra fa tsy manana taratasy ara-dalàna hahafahany manao izany asa izany ity rangahy ity ka niantso moramora ny teo amin'ny manodidina ilay mpivarotra. Niampita tany amin'ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny feo ka noraisim-potsiny ilay rangahy sy ny asa ratsiny. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny lehilahy hatramin'ny omaly, atao fanadihadiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.