Actualités

Ambatofinandrahana Manao dahalo mitam-basy hatramin’ny mpianatry ny Lycée


  • Alakamisy 01 Aogositra 2013

Tsy mifidy taona sy saranga intsony ny mpanao asa ratsy mitam-piadiana amin’izao.

Raha variana niandry faty ny olona tao an-tanàna dia novakiana mpianatry ny lisea voalaza fa avy any ambanivohitra mandranto fianarana ao Ambatofinandrahana ny tranon’ny lehiben’ny fampianarana any an-toerana. Mbola lasibatra ihany koa ny tranona mpianatra nifanila tamin’ity tompon’andraikitry ny fampianarana ity. Tsy hotanisaina eto intsony ny asa ratsy talohan’io, nahaverezana sakafo, fitaovana ary kisoa.

Mpianatra iray very entana no sahy nitoroka teny amin’ny mpitandro filaminana ary nanondro olona ahiany ho nangalatra. Nosamborina ity farany ary rehefa nohadihadiana dia nilaza ny namany telo lahy miara-miketrika aminy, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana, izay nahafantarana ihany koa, fa efa manana tarika kely mihitsy ireto mpianatra manao asan-dahalo mitam-basy ao Ambatofinandrahana ireto. Noho ny tsy fananan’izy ireo sakafo hoentina mianatra, hono, no nanosika an’ireto tanora ireto hanao asa ratsy. Mbola ny loharanom-baovao etsy ambony hatrany no nanamarika fa miparitaka ny basy vita gasy any an-toerana amin’izao, izay ifaninanan’ireo tanora any ambanivohitra mihitsy ny fananana azy.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT