Actualités

Ambatofinandrahana Lasa fanaovana bizina vato hatramin’ny CSB


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Manankarena ny Malagasy, na ambonin’ny tany, na an-dranomasina indrindra fa ny ambanin’ny tany. Tsiriritin’ny vahiny ny harenantsika.

Tsy misy faritra tsy ahitana harena ankibon’ny tany raha mbola eto Madagasikara. Mila ho isan’andro no andrenesana fa vaky ny kariera atsy, mipoaka ny kariera aroa. Manaporofo izany ireo fitetezam-paritra nataon’ny minisitry ny harena an-kibon'ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika, Rakotomalala Olivier Herindrainy, nametrahana "Zone d'encadrement" izay ivondronan'ireo mpitrandraka madinika avy any ifotony amin’ireo toerana samihafa ahitana toeram-pitrandrahana. Fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe : tena mba misitraka ny tombontsoa avy amin’ireny fitrandrahana ireny tokoa ve ny Malagasy ao amin’ny Faritra isiany sa fehezin’olombitsy ny harena ? Ny loza aza dia lasa ifandrafiana sy ifamonon’ny samy Malagasy sy miteraka fanilikilihana ny raharaha, toy izay nitranga tany Andialana Avaratra, Distrika Amparafaravola. Ahiana hivaona toy izany ny tranga ao amin’ny toeram-pitrandrahana any Ambalamahatsara sy Antsahakely, Distrika Ambatofinandrahana, ampahany amin’ireo toeram-pitrandrahana harena ankibon’ny tany vao nivoaka any amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Tamin’ny fidinana ifotony nataon’ireo manampahefana dia novoizina ny fahalalahana, mba samy hisitraka izany Malagasy ary samy resy lahatra ny rehetra fa hitondra fampandrosoana an’Amoron’i Mania ireo vato sarobidy sady lafo vidy mivoaka ny kariera. Teo ampanombohana ihany anefa izay no nihatra fa fehezin’olombitsy ny fitrandrahana ankehitriny. Ny loza aza dia mety hihatra aman’aina ny fidiran’olona ivelany amin’ny kariera, zary lasa fitehirizan’entana sy fanaovana bizina vato ny toeram-pitsaboana fototra eny hatramin’ny fitaovana enti-miasa avy amin’ny mpiara-miombon’antoka tokony hanamorana ny fanatanterahana ny asa momba ny fahasalamana any an-toerana aza mihodina amin-javatra hafa. Sarotra ny hino hoe tsy fantatry ny lehibe isan’ambaratonga izany fa na izy ireo voatapi-maso na miara-misaika amin’ity fitrandrahana vato ity, ka anairana ireo raiamandrenin’ny Faritra hijoro handamina.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT