Nitrangana habibiana nahatsiravina tao amin’ny Fokontanin’i Vinany Andafiavaratra, Distrikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, ny alin’ny 14 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora.
Fianakaviana mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita no naratra mafy nofirafirain’ny dahalo famaky tamin’ny lohany. Mbola manaraka fitsaboana ireto olona telo hatramin’izao. Tsy vitan’izay fa ankizy kely roa no maty kila tao anaty trano. Voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana, fa zanaky ny rahavavin-drenin’ilay CT izy rehetra ireo.
3 km monja miala ny tanànan’Ambatofinandrahana no nisehoan’ity loza nahatsiravina ity. Mbola tsy natory ny olona tao an-trano no niditra amboletra tao an-tanàna ny dahalo ary dia nandoro trano avy eo, ka izay nivoaka hitsoaka tonga dia notsenain’ireo malaso tamin’ny fira famaky avokoa, ka betsaka ny torana. Tafiditra tao amin’ilay trano nirehitra ny dahalo ka tsy nisy olona sahy nanavotra an’ireo ankizy roa tavela tao, dia may no niafarany. Raha ny filazan’ny mponina dia valifaty sy ramatahora izao satria mihevitra hilatsaka hofidiana ho depiote any Ambatofinandrahana ity CT ity.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.