Ambatofilokana Itaosy

> Manafika andro antoandro ny jiolahy


  • Alarobia 05 Martsa 2014

Tokantrano iray indray no nisy nanafika tao Ambatofilokana, Kaominina Itaosy, Distrikan'Atsimondrano.

Ny alatsinainy lasa teo no nitrangan'izany, tokony ho tamin'ny 10 ora maraina. Jiolahy maromaro no voalaza fa niditra an-keriny tao amin'ity tokantrano ity, taorian'ny fahitany fa lasa avokoa ny tompontrano. Mpiasan'ny banky ny tompontrano, raha araka ny fantatra ihany izay noheverin'ireo mpanafika fa mitahiry volabe an-trano. Vokany, Ramatoa lehibe iray no sendra ireo jiolahy tao ka nokendainy no sady notampenan’izy ireo ihany koa ny vavany mba tsy hahafahany miantso vonjy. Nanjaka tanteraka izy ireo taorian'izay, nijery sy namadibadika ny entana rehetra. Tao anatin'izay anefa no nisy nahatsikaritra ny zava-niseho ny teo amin'ny manodidina ka niantso avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Efa malina ihany koa ireo jiolahy ka tafaporitsaka. Hatramin'ny omaly alina, araka ny vaovao azo, dia mbola hentitra tamin'ny fisavana ireo olona nivezivezy teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Voakasik'izany ireo mpody alina tsy mitondra kara-panondro. Anisan'ny toerana somary mangingina ihany moa no misy ity Ambatofilokana ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT