Actualités

Ambatofahavalo Tsy eken’ny mponina ny fitrandrahana fasika ataon’ny Sinoa


  • Talata 16 Martsa 2021

Olona 24 omaly no nantsoina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena Andoharanofotsy

 

taorian’ilay fitakiana nataon’ny mponina tany an-toerana ny sabotsy teo ka nahavakisan’ny fitaratr’ilay fiaran’ireo tera-tany Sinoa mitrandraka izany any an-toerana. Tonga teny Andoharanofotsy avokoa ireo mponina ireo omaly nilanja sora-baventy ka anisan’ny nitarainany mafy tamin’ny mpanao gazety ny fihetsika nataon’ireo mpitandro ny filaminana tonga tao Ankadivoribe Faravohitra Ambatofahavalo. Novahan’ireto farany raha araka ny fanazavana azo ny ombin’izy ireo sasany ka lasa namotika ny volin’olona nandritra ny fisamborany ireo olona ahiahiana. Nisy ihany koa ireo bisikiletan’ny mponina izay novakiany ny kodiarany ankoatra ireo vehivavy izay tratrany ka novonoiny ary naratra. Nisy mihitsy ny afa-jaza hoy hatrany ireo mponina omaly. Anisan’ny antony tsy haneken’ny mponina ity fitrandrahana fasika ao Ambatofahavalo ity moa ny fidinan’ny rano ka hamotika ny fambolena 180 ha izay miantoka ny voly vary sy frezy foto-piveloman’izy ireo. Toraka izany koa ny fiarovana ny ain’ireo ankizy madinika miampita rano mandeha mianatra isan’andro nefa tsy maintsy mihalalina ny rano rehefa alaina foana ny fasika. Kaominina roa moa no lasibatr’ity fitrandrahana fasika ao Ambatofahavalo ity, fitrandrahana hataon’ny Sinoa izay haharitra aman-taonany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT