Mila ho isan'andro mihitsy ny fahitana baomba eto an-drenivohitra tato ho ato. Ny marainan’ny sabotsy teo dia nahitana fonosan-javatra mampiahiahy teny amin'iny faritra Ambatobe iny. Natao tao anaty harona plastika miloko mainty izy io.
Tavoahangy plastika iray izay toy ny nisy lasantsy niampy kojakoja feno tariby toy ireny fahita ao anaty vata fahitalavitra ireny no hita teny an-toerana. Avy hatrany dia nampandre ny mpitandro ny filaminana ny mponina taorian'izay ka alika mpitsongo dia no nalaina. 100 metatra niala ilay toerana nahitana ilay fonosan-javatra mampiahiahy no nitokona ilay alika dia nijanona teo ny fikarohana. Toeram-piantsonan’ny taksibe io, ka tombanana ho nandray fiara iombonana ny olona nametraka azy. Rehefa nojeren'ny sampandraharaha manokana misahana ny resaka baomba ilay fonosana nampiahiahy dia nambaran'izy ireo fa “cocktail molotov” izy io. Na izany aza anefa dia miantso ny mponina mba ho mailo hatrany izy ireo hisorohana ny loza mety hitranga. Nambaran'ny sefom-pokontany eny an-toerana fa tsy mbola nahitana zavatra hafahafa tahaka izany tao amin'ity Fokontany ity hatramin'izay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.