Actualités

Ambanja – Faritra Diana Miroborobo ny voly rongony


  • Alatsinainy 21 Febroary 2022

Malaza amin’ny famokarana rongony ny distrika Ambanja raha ny fanadihadina natao. Matetika rehefa mahatratra ny rongony sy izay olona vosaringotra amin’io raharaha ny polisy sy ny zandary dia voatonina hatrany i Ambanja.

 Ao Analabe Ambanja no mivoka ny zava-mahadomelina raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Nisy ny fidinana ifotony namongorana ireo rongony ireo tamin’ny toerana voalaza izay nataon’ny zandary sy ny miaramila ka tany amina hektara no tsy maintsy nodorana avy hatrany izay rakotra rongony. Tsy milaza amin’izay tena tompon’ny tany mamboly ireo zava-mahadomelina ny mponina fa saingy efa maniry sisa no sarona. Misy ny paikady ataon’ireo mpivarotra azy sy ny mpanafatra entana ireo amin’ny fitaterana azy entina amin’ny gony lanjaina ary tsy hampitondraina fiara mhitsy nohon’ny fisavana mety ataon’ireo mpitandro ny filaminana. I Mahajanga izay isany betsaka olona mpanafatra azy io ary mandefa any amin’ny nosy Kaomoro raha ny fanadihadiana natao hatrany . Ankoatra ny distrikan’ Ambanja dia any amin’ny faritra atsimo ihany koa no voalaza fa ahitana olona mamboly rongony raha eto Madagasikara. Fantatra fa ireo mponina manodidina ihany mamboly azy io izay lasa velontena izy ireo. Fehizana amin’ny fonosana iray lehibe ireo rongony ireo mialohan’ny famarotana azy amin’ny mpanfijara. Voafehy ny lalana ny famokarana, famarotana , fividianana ary indrindra ny fifohana ny rongony. Efa maro no naiditra am-ponja vokatry ny fandraisana io zava-mahadomelina io. Betsaka rahateo ny voka-dratsy aterak’izany izay miafara amin’ny maha tsy tompony tenany intsony ny olna mifoka azy.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT