Actualités

Ambalavato Mahajanga Teratany vahiny iray namono tena


  • Talata 19 Janoary 2021

Lehilahy teratany vahiny iray tokony ho 67 taona no namoy ny ainyu ny famoizam-po tany Ambavalato Mahajanga.

 

 

 Olana ara-bola no fototr'izao famoizam-po izao raha araka ny vaovao azo. “Bloqué” mantsy ny volany tany amin’ny banky. Taorian’izay dia nivezivezy nikarakara izany tsy an-kiato teny amin'ny “consulat” ity tera-tany vahiny ity. Tsy nahatanty izany fivezivezena izany anefa ny anaolahy ka nanjary narary tsy fidiny. Nidina teo ambonin’ilay fandriana natoriany izy raha araka ny loharanom-baovao azo ka nakapokapony tamin’ny tany ny lohany. Niezaka ny namonjy sy nanampy ity teratany vahiny ity nandritra izany ireo olona akaiky azy. Na izany aza anefa raha vantany vao tafapetraka teo am-pandriana izy dia nivoa-dra be ny vavany, antony nitarika ny fahafatesany. Efa noraisin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana an-tanana moa ny raharaha, raha efa tonga nijery sy nizaha ny razana ihany koa ny BMH.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT