Actualités

Albinos Madagascar “Arovy izahay mba tsy hiahiahy ny Fanjakana…”


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

“Efa an-tenda ny rano, tsy tandindonin-doza intsony, fa efa anaty loza. Resaka halatra zaza varira no niaingan’ny olana tany Ikongo. Miantso ny Filoham-pirenena amin’ny maha Raiamandreny azy,

handray andraikitra manoloana ny zavatra mahazo anay varira”, hoy izy ireo tamin’ny alalan’ny mpitarika ny fikambanany tarihin’Atoa Soja Ramiandrisoa Fulgence Filoha Nasionalin’ny Albinos Madagascar ny sabotsy. Azo lazaina fa vitsy aza, kanefa manana ny zo tokony hositrahanay, ary miantso azy mba hijery, tena hijery, asa na “action” no tadiavina fa tsy resaka intsony satria ilay fotoana mandeha, hoy hatrany antso avo. Notsipihin’izy ireo fa mbola tsy mipetraka ilay tena vahaolana hoentina hiarovana ny varira, ary vao nisy fikasana haka an-keriny indray. Miantso izahay, mba raiso ny andraikitra fa ho ripaka eto izahay, mitaintaina andro aman’alina hoe ahoana ihany satria lasa misy sakana amin’ny fivoarana amin’ny maha olona na “développement personnel” amin’ilay zaza satria raha tokony handeha ho any an-tsekoly izy dia tsy afaka ny handeha any satria mitaintaina ny Raiamandreny hoe: ho very ka aleony tazonina ao an-trano. Ny efa zokiny, mitaintaina lava kanefa miasa. Fanavakavakavahana amin’ny resaka asa, fa mbola mafy noho izany ny halatra taova. Mbola tsisy fanamarinana ara-tsiantifika hoe: inona no tena ilàna ny vatanay, fa lasa resaka kihonohono nefa dia misy ny mampiasa vola be amin’izany. Miantso ny hisian’ny fanadihadiana lalina, ary miantso ny mpiaro ny zon’olombelona, indrindra ny eo anivon’ny Firenena Mikambana mba hijery akaiky. Tsy fantatra intsony hoe: iza no ao ambadika. Mba hahatonga anay tsy hanana ahiahy hoe tsy manana tombotsoa amin’izany ny mpitondra dia mba jereo akaiky, hoy ireo Fikambanan’ny varira. Tsy mazava intsony hoe: izahay ve hanaovana sorona? Misy resaka sy ahiahy mandeha hoe: resaka sorona mba hitazonana fahefana, hoy ireo varira. Mangataka hisian’ny tolo-dalàna amin’ny fiiarovana ny zonay, fa eo ihany koa ny hisian’ny sazy mafy, hoy hatrany Atoa Soja Ramiandrisoa Fulgence.*
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT