Actualités

Alatsinain’ny paska Nifanitsa-kitro ny tany Toamasina…


  • Talata 06 Aprily 2021

Nifanitsa-kitro ara-bakiteny ny mponina tao Toamasina omaly, araka ny sary sy ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

 

 

 

 Alatsinain’ny paska omaly, fotoam-pitsangantsanganana, ka dia nanatanteraka izany ara-bakiteny ny mponina. Toa adinon’ny olona fa ao anaty fotoan-tsarotra noho ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus i Madagasikara, ary isan’ny tena lasibatra ny Faritra Antsinanana. Vao ny sabotsy 03 aprily lasa teo no nambaran’ny Filoham-pirenena fa mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny hamehana ara-pahasalamana, voarara ny fivorivoriana mihoatra ny 100,… Ny mpitondra sy manam-pahefana no mpamerin-doha ny vahoaka eo anatrehan’ny goragora sy ny tsy fanajana ny fisipika. Tsy resy lahatra sy tsy mino izay lazain’ny mpitondra intsony ve ny olona? Tsy mipetraka intsony ve ny fahefam-panjakana matoa tsy misy manaja ny fitsipika hapetraka? Mbola tsy tonga saina foana ve ny vahoaka fa aretina mandripaka sy mamono vetivety no mandindona ny isam-batan’olona? Antony iray mampiparitaka ny valanaretina ny fitangoronana tahaka ireny, ary tsy tany Toamasina ihany, fa ny toerana sasany teto Antananarivo aza nahitana fitangoronana be toy ny teny amin’ny By Pass. Ny mpitondra sy ny manampahefana manam-bola sy afaka mitsabo tena any ivelany, fa ny vahoaka minia tsy mihaino no sanatriavina hizaka ny taolam-be tsy mitapaka, ka entanina hatrany hitandrina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT