Actualités

Alasora Nisy nanapoaka afomanga tsy nahazoana alalana


  • Alarobia 11 Mey 2022

Nisy afomanga nipoapoaka fatratra tao amin’ny kaominina Alasora ny sabotsy 07 mey alina lasa teo. Tao amin’ny efitrano fandraisan-danonana Hahitantsoa no nitrangan’izany izay niteraka fahatairana sy tebiteby ho an'ny mponina

 tokoa, indrindra fa ireo tsy salama. Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy omaly ka nambarany tamin’izany fa tsy nisy ny fahazoan-dalana navoakan'ny kaominina Alasora mahakasika iny afomanga nipoaka iny , ary tsy nahafantatra akory ny fisian'izany ny fiadidian’ny tanana. Izy ireo anefa no tokony hampahafantarina izany aorian’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena araka ny rafitra an-tanan-tohatra misy.Taorian'ny fanadihadihana nataon'ny mpitandro ny filaminana dia fantatra fa ny teo anivon'ny Prefektioran'Antananarivo no nanome alalana ity efitrano filanonana ity nanapoaka afomanga hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Notsiahivin’ny Ben’ny tanana ary fa izay rehetra mikasa hanapoaka afo manga ao anatin'ny Kaominina misy azy na aiza na aiza dia mila fahazoan-dalana avy any amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, ary aterina eny anivon’ny Kaominina izany herinandro mialohan'ilay daty hanatanterahana ny lanonana.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Vonison Andrianjato
  • Zoma 05 Jona 2026

«Mila fanjakàna mafy ahazoana firenena matanjaka»

  • Filohan’ny fanavaozana
  • Zoma 05 Jona 2026

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

  • Clémence Raharinirina "
  • Zoma 05 Jona 2026

Ny mpanenjika misy foana,

  • Mamitiana Rajaonarison
  • Zoma 05 Jona 2026

Praiminisitra faha-31 hatramin’ny andron’i Ranavalona

  • ADY AMIN’NY KOLIKOLY
  • Zoma 05 Jona 2026

Tanora manana kolontsaina

  • METFP sy ny BIANCO
  • Zoma 05 Jona 2026

Hiara-hiasa hiadiana ny

Hijery ny tohiny
FTT