Actualités

Alasora Navotan’ny polisy ilay lehilahy lavo an-tatatra


  • Talata 05 Janoary 2021

Mandray ny fitarainana rehetra, miezaka hatrany mandamina sy mamaha ny olana

 

 

 

amin` ny alalan` ny fifampiresahan` ny roa tonta, mampianatra izay tokony hataon` ny tsirairay avy amin`ny fitondran-tena mendrika mba hirindran`ny fiaraha-monina. Ireo toe-tsaina nasehoan` ny polisy tamin` ny taon-dasa mba ho maodely eny anivon` ny fiaraha-monina. Omaly dia nampiseho fihetsika nahafinaritra indray ny polisy iray teny Alasora satria rangahy iray hitany nitsirara tamin’ny tatatra ary tsy tafarina intsony no nampiany. Mbola nisy aina ilay rangahy na dia hita aza fa tena efa reraka tanteraka. Niezaka namonjy ny ity farany ity ilay polisy ka nikarakara azy sy nitady sakafo ho azy. Raha ny nambaran`ireo nanatri-maso dia betsaka ireo olona teo amin’ny manodidina te-hanampy azy saingy tsy navelany nikitika azy mihitsy raha tsy ity polisy ity no nifampiresaka taminy. Tsy nisy nahafantatra azy moa ny teny amin’ny manodidina ka dia napetraka teny amin’ny gazety izy mandra-pahatongan’ ny fianakaviany.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT