Anarany mba mazoto milahatra hividy entana eny amin’ny Tsena Mora ianao, nefa dia mody maina na maivana entana rehefa lany ora maromaro eo, hoy ny mponina eny Alasora Avaradrano.
Ny olona 10 tonga voalohany ihany no mahazo izay ilaina rehetra, na menaka, na vary …, hoy ireto mponina eny Alasora ireto fa ny ankoatra izay dia zara raha mahazo ny anjara variny, nefa amin’izay indray dia vary tsy ampy lanja no azo rehefa hafatra any an-trano. Tena anjakan’ny kitranoantrano ny fizarana entana eny amin’ny Tsena Mora eny aminay eny raha tsorina, hoy ireto mponina eny Alasora Avaradrano ireto ka ry zareo samy zareo ao ihany no migalabona. Aiza ho aiza ao anatin’izany tokoa ilay hoe fiovana katsahina eto amin’ny firenena ? Efa nambara teto fa fiverenan-dalana ity filaharam-bary eto amin’ny tanàna ity indray. Mbola vao mainka fiverenan-dalana fanindroany ny toe-tsaina tia kely, araka ny voalazan’Alasora teo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.