Actualités

Alarobia 24 jolay 2013 Niasa daholo ny rehetra


  • Alakamisy 25 Jolay 2013

Tsy tanteraka ny fifidianana filoham-pirenena izay voatondro hotanterahana omaly alarobia 24 jolay 2013. Tsy mbola fantatra mazava ihany koa ireo tetiandrom-pifidianana vaovao taorian’ireo dinika maro samihafa nisy teo amin’ireo andrim-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka misy amin’izao fotoana izao.

Raha ny vaovao farany voaray moa dia ny hoe aorian’ity faran’ny volana jolay na amin’ny fiandohan’ny volana aogositra vao ho fantatra ireo daty hanatontosana ireo karazam-pifidianana eto Madagasikara. Raha ny resaka mandeha aloha dia ny hoe : tsy maintsy vita alohan’ny volana novambra 2013 ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny latsa-bato hifidianana ny filohan’ny Repoblika sy ireo solom-bavam-bahoaka. Fa raha hiverenana kely ny andron’ny omaly alarobia 24 jolay 2013 dia tsy niova tamin’ny asa aman-draharaha fanaony mandavan’andro ramalagasy.

Teo ireo namonjy ny toeram-piasany mahazatra, teo ireo nivarotra, teo ihany koa ireo nitady izay kely azo arapaka ho fanohanana ny aina. Ny somary nanaitra kely fotsiny tamin’izy ity dia raha nisy ny fiantsoana ny olom-pirenena manainga azy hifidy dia nisy ny didim-panjakana manambara mazava fa andro tsy fiasana nefa handraisan-karama io datin’ny 24 jolay io. Ankehitriny anefa na dia ny famoahana didim-panjakana fanafoanana azy io ary dia tsy mbola nivoaka. Mety ho rempotra amin’ny famahana ny krizy ny mpitondra mahefa ka adino hatramin’ny fombafomba rehetra mifehy ny tany sy ny fanjakana.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT