Alaotra Mangoro

> Rahonan’ireo olom-panjakana ny Ben’ny tanŕna


  • Alakamisy 03 Oktobra 2013


Velon-taraina amin’ny zavatra manjo azy ireo ny olomboafidy any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny,  indrindra ireo Ben’ny tanàna fa misy olom-panjakana manohana kandidam-panjakana, mandrahona ny hanala Ben’ny tanàna amin’ny toerany rehefa tsy manaraka ny foto-kevitr’izy ireo. Milaza ho tena akaiky ny fitondrana ireto olona mandrahona olom-boafidy ireto ka mizahozaho ho tena mpanapaka amin’ny fametrahana olona eny anivon’ny Kaominina. Ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita Fidimamy Helson raha nahare ity tranga ity dia nalahelo ka nanao antso amin’ireo olom-panjakana manao izany fandrahonana izany fa “tsy rariny izany”. Tsy vitan’ny mampiasa fitaovam-panjakana ny sasany amin’izao fampielezan-kevitra izao fa dia manao ramatahora amin’ireo olom-boafidy indray koa. Tena mafy izany te hahazo fahefana. Soa fa mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary ny vahoaka ankehitriny ka na hampiasa ny fahefana eo am-pelatanany aza ny sasany, ny safidy ny vahoaka tsy azo teren-ko masaka.

 

NiryA.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT