Hazakazaka ambany farafara ny an’ireo mpanao politika mpitady seza sy voninahitra any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny. Ireo efa eo amin’ny toerana dia mitady hirika mafy ny hijanonana amin’izany toerana izany.
Tsy vitsy ihany koa ireo izay vao hikatsaka ilay toeram-boninahitra lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro. Hiaraha-mahalala rahateo fa faritra ifamezivezen’ny vokatra samy hafa Alaotra Mangoro ka miditra ho azy ny tamberimbidy izay vola hahafahana mampihodina ny Faritra. Betsaka ny vola mirotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny faritra raha tsy hiresaka afa-tsy ny tamberimbidy avy amin’ny vary akotry miampy ny fotsimbary sy ny ampombo. Eo koa ny tamberimbidy azo avy amin’ny hazandrano izay vao haingana no nogiazan’ny Faritra. Tsy mahagaga raha mihazakazaka te ho eo amin’izany toerana izany avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao politika. Olona vonona hampandroso ny Faritra ankehitriny no ilaina fa tsy olona handeha hameno paosy sy tsy mahafantatra ny maharary ny vahoaka. Maro loatra ankehitriny ireo milaza fa mamim-bahoaka sy mahavita zavatra kanefa ny ao an-tsainy dia ny hitavana ny volam-bahoaka fotsiny. Mila malina, araka izany, ny filoha Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fanendrena ireo olony eny anivon’ny faritra raha tsy izany dia izy no hiangonan’ny rihitra rehefa tsy mety ny ataon’ny olona izay notinendriny.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.