Actualités

Alain Ramaroson Averina ny fifehezana ny fandriampahalemana


  • Zoma 30 Martsa 2012

Hentitra i Alain Ramaroson nilaza fa averina tanteraka ny fifehezana ny fandriampahalemana sy ny andrimasom-pokonolona.

 Efa tsy zakan'ny vahoaka intsony mantsy, hoy ny nambarany, ny asa ratsy sy ny fanjakazakan'ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny firenena. Manginy fotsiny ny fanaovan'ny sasany ny fomban'ny fanjanahantany ka manindry aloka sy managadra ny Malagasy izay tompon'ny taniny. Filohan'ny vaomiera misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary anisan'ny ao anatin'ny vaomieran'ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST ny tenany, ary nilaza fa handray andraikitra amin'izay manoloana ny tsindry aloka sy fibodoana fananana mahazo ny vahoaka madinika. Nahitam-bokatra ny fanarahan-dia ny dahalo tany Isandra ny herinandro lasa teo raha ny fanambaran'i Alain Ramaroson. “Tsy nisy ra latsaka na gidragidra nefa efa omby an'arivony no tafaverina amin'ny tompony”.

Efa misy ny laminasa natao mikasika ny fanenjehana ny dahalo, hoy ny nambarany ary tsy voatery hifamono ny olona rehetra. Amin'io herinandro ho avy io ihany koa no hanomboka ny fanamboarana mikasika ny andrimasom-pokonolona raha ny fantatra izay hiezaka hamaha ny olana efa mampikaikaika ny vahoaka. Nandritra ny fanateram-boninkazo ho fahatsiarovana ireo maherifo nahafoy ny ainy ho an'ny tanindrazana ny 29 martsa 1947 teny Ambohijatovo no nanambarany ireo. Nasiany teny ihany koa ny mikasika ny fahatsiarovana toy izao izay nambarany fa tokony hatsahatra amin'ny repoblika fahefatra satria toa feno mistery eto amin'ny firenena. Ny fanatsaharana izany angamba, hoy izy, no ampy hanazava ny tantara tsy hisy ankiafinafina intsony eto. Tsiahivina moa fa tamin'ny taon-dasa dia mbola niara-nahatsiaro ireo namoy ny ainy ho an'ny tanindrazana ireo niaraka tamin'i Nadine Ramaroson ny tenany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT