Actualités

Alain Mahavimbina Nanao ampamoaka momba ny RN5


  • Talata 21 Mey 2013

Nivoaka ihany ny marina mikasika ny tsy fahavitan’ny lalam-pirenena faha-05 (RN5), raha efa nanaovan’ny FAT lanonana goavana ny fanombohany ny volana oktobra 2012 izay tokony ho novitaina tao anatin’ny telo volana, ary saika nitokanana azy niaraka tamin’ireo zava-bita ny 19 sy 20 janoary 2013 lasa teo.

 Raha ny “révélation”, ampamoaka nataon’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Atoa Mahavimbina Alain fa nisy ary efa nirotsaka tamin’ny kitapom-bolan’ny orinasa SMATP ny vola 3,2 miliara Ariary hanarenana ny lalana Toamasina – Mahavelona Foulpointe ary natao “tetikasan’Ambohitsorohitra”. Tetikasan’ny Faritra Analanjirofo kosa ny ampahany voalohany Soanierana Ivongo – Mahavelona Foulpointe nitentina 1,9 miliara Ariary ary tsy nahitana olana. Raha ny volana oktobra 2012 no saika hanombohan’ny asa dia tsy nety nanomboka ny SMATP, satria nalain’ny “fanjakana” ny ampahan’ny vola 02 miliara Ariary ka tsy nanana afa-tsy 1,2 miliara Ariary sisa izy ireo hanaovana ny asa ka nahatonga ity orinasa sinoa ity hiala an-daharana. Niezaka nitady orinasa afaka hanamboatra ny lalana ny MainLand tamin’ny ampahan’ny vola sisa 1,2 miliara Ariary saingy tsy nisy orinasa niditra intsony satria lehibe ny fahasimbana nefa ny vola efa nandrombinana. Ny volana janoary 2013 dia nanapa-kevitra ny MainLand, fa horaisin’izy ireo an-tanana ny asa, ka nisian’ny orinasa BMCI.

Nakarin’ny MainLand ho 1,8 miliara Ariary ny vola ary narotsany ho an’ity orinasa ity ny 50%, saingy sady zara fa nandeha ny asa (13% no vita) no ratsy fanamboarana ny lalana nefa nahazo fanamarinana ara-dalana kosa tamin’ny laboratoaran’ny ministeran’ny asa vaventy. Tsy voaloa karama ireo mpiasa sy ny fitaovana nampiasaina, ka samy nanaisotra ny azy ny tompony. Nahaton’ny MainLand ihany koa ny famatsiam-bola nataony. Nambaran’Atoa Mahavimbina Alain, fa efa mikasa ny hamoaka vola fahatelo hitentina 05 miliara Ariary ny MainLand atsy ho atsy, noho ny fahitany ny fitakian’ny mpampiasa ny lalana sy ny bokin’andraikitra nifanekeny tamin’ny fanjakana Malagasy, ary ny filazany fa adidy tsy maintsy ataony ny manamboatra ny simba nateraky ny asa nataony. Na mbola vinavina aza anefa no nataon’ny MainLand izay any Chine avokoa ankehitriny ireo tompon’andraikitra ao aminy, dia efa mandeha sahady indray ny tetika hitangosana ny ampahany betsaka amin’ilay vola be ka mailo ny orinasa MainLand.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT