Actualités

Alain Andriamiseza Nihemotra fa matahotra tsy hahazo olona


  • Sabotsy 27 Jolay 2013

Tsy raikitra indray ilay famorian’olona nokasain’ireo Malagasy manohana ny fehinkevitry ny FFKM, tarihin-dry Alain Andriamiseza, hatao tetsy Antsahamanitra. Nahazo alalana avy amin’ny prefen’ny polisy Antananarivo izy ireo, ary efa neken’ny mpitantana an’Antsahamanitra hampiasa ny toerana saingy nihemotra tamin’ny ora farany ry Alain Andriamiseza.

Raha ny re dia hoe antomotra loatra vao namaly ny prefen’ny polisy, ka naleon’izy ireo nahemotra ho amin’ny sabotsy heriny indray ity hetsika nokasain’izy ireo hatao ity. Raha nivahiny tao amin’ny radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra anefa i Alain Andriamiseza omaly antoandro dia mbola nanamafy ny fisian’ilay hetsika, fanazavan-kevitra arahina vavaka ho an’ny firenena, saingy rehefa tolaka ny andro dia niova tanteraka izany. Teo am-piadohana dia Ambohijatovo no toerana nambara fa hanaovana ity famoriam-bahoaka ity. Rehefa nilaza ny teo anivon’ny Emmo-Reg fa misy mikotrika “Sabotsy Mainty” ka hitifitra olona eny Ambohijatovo, dia nilaza ny mpitarika ny hetsiky ny Malagasy manohana ny fehinkevitry ny FFKM fa dia ao Antsahamanitra indray ny toerana. Nony injay anefa nomena alalana ireo mpitarika, dia nihemotra tamin’ny ora farany. Ho an’ny mpanadihady ara-

polika dia mazava fa matahotra tsy hahazaka olona ry Alain Andriamiseza, manahy sao hangadihady ny toerana ao Antsahamanitra ka naleony nofoanana rehefa nilaza mazava ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM omaly fa tsy misy idiran’izy ireo ary tsy nifampiresahana tamin’izy ireo ity famoriam-bahoaka etsy Antsahamanitra ity. Nanao tsindrom-paingotra aza ny Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène nilaza fa ratsy tarehy maka vady ka ny anaran-dray no enti-mangataka.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT