Alain Andriamiseza

> Manakorontana iny fanapahan-kevitry ny CES iny


  • Talata 20 Aogositra 2013

Naneho ny heviny mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin'ireo mpikambana vaovao ao anatin'ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na ny CES i Alain Andriamiseza, mpitarika ny fikambanana MMFF na ny Malagasy Manohana ny fehin-kevitra navoakan'ny FFKM omaly.

Nambarany fa vao mainka hanakorontana ny firenena ny fanapahan-kevitra tahaka ireny, indrindra fa ny fanilihana ireo kandida miisa valo be izao. Araka ny lalàna mifehy ny CES, hoy ity filohan'ny MMFF ity dia tsy azo hivalozana avokoa izay fanapahan-kevitra raisiny. Mifanohitra amin'izay anefa ny zava-mitranga ankehitriny ka vao mainka mampisavorovoro ary lasa manohana sy manome vahana ny fianakaviambe iraisam-pirenena indray. Tokony ho nofoanan’ny CES avokoa ny filatsahan-kofidian'ireo kandida rehetra tamin'ny fifidianana izay saika hotanterahina ny 24 jolay lasa teo, rehefa tsy raikitra ihany, ary haverina vaovao indray ny fiantsoana ho an'ireo izay mbola maniry ny hilatsaka mba hisian'ny fitoniana, hoy ihany i Alain Andriamiseza. Nanamafy ny MMFF fa manohana hatrany ny fehin-kevitra navoakan'ny FFKM izy ireo. Fikambanana miisa 231 no nanao sonia izany izay namoaka vola am-paosy avokoa noho ny fitiavan-tanindrazana ka tsy tokony hotsinontsinoavina. Maika, araka izany, ny fanatanterahana ireo fehin-kevitra tapaka niarahana tamin'ny FFKM, hoy ny MMFF satria efa tsy mahafehy ny zava-mitranga ankehitriny intsony ny lalàmpanorenana misy amin'izao fotoana.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT