Nitsidika ny Akany Harimamy fibeazana zaza kamboty sy sahirana ara-pivelomana eny Ambohipeno Ambohimanambola izay naorin’Atoa Andrianalimanana mivady ny taona 2012, ny sabotsy teo, ny fikambanana AMITO (Amical des Cadres Toamasina) faritra Antananarivo ka nanolotra fanomezana sesehena izay nangonin’ireo mpikambana avy any an-tokantranon’izy ireo tsirairay avy. Ho fampirisihana ny tsirairay handray andraikitra manoloana ny mpiara-belona sahirana araka ny tarigetran’ny fikambanana izao hetsika izao, hoy ny filohany Randriamampionona Céléstin ary hampisehoana amin’ny mpitondra fa azo atao ny miaraka manao asa soa na dia tsy mitovy firehana aza any am-piasana. Zaza sy tanora 5 ka hatramin’ny 20 taona no notolorana an’ireo fanomezana ireo ka ny 4 no kilasimandry ary ny 15 kilasimody.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.