Actualités

Akany fitaizana zaza kamboty PAGODE Nisokatra ny taom-pianarana vaovao 2022-2023


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly teny Antsahasoa Pagode ny taom-pianarana 2022-2023 ho an'ny zanak'ireo miaramila lavo teo am-panatanterahana ny asany.

Nanantanteraka izany sady nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, izay ray mpiahy azy ireo. Notronon'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, izay filoham-boninahitry ny akany sy ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Minisitera sy ny Etamazaoro. Amin'ny maha ray mpiahy ireo zaza kambotin’ny Tafika ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena dia nanolotra fanampiana amin'ny fanamboarana sy fikojakojana ny akany ny tenany. Nisy ihany koa ny vatsy avy amin'ny Ministeran'ny Mponina. Nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny andiany mivantana faha-23 an’ny Akademia Miaramila ho fanampiana ny akany. Tsara ny vokatry ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC 2022 ho an'ireo ankizy ka nisy ny fanomezana fankasitrahana manokana ho an'ireo izay mendrika indrindra. Am-polony moa ireo zaza kamboty tezaina sy beazina ao amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo zanaky ny miaramila kamboty beazina ao amin’ny Akany Pagode .
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT