Actualités

Akanjo mariazy Tsy voatery ho fotsy intsony


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Tsy voatery ho fotsy intsony ny lokon’ny akanjo mariazy amin’izao. Efa azo hatao amin’ireo loko maro isan-karazany izy io miankina amin’ilay theme-n’ny mpanambady.

Nasehon’ireo mpianatry ny Ecole de Coupe et Couture Volana izany ny faran’ny herinandro teo raha toraka izany koa ireo didin’akanjo vaovao mifanaraka amin’ny toe-batan’ilay vehivavy hampakarina sy ny taonany. Miisa 220 mianadahy izy ireo no nampiranty izany asa tanany izany narahina filatroana. Ankoatra ny lamba dia nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny legioma narafitra ihany koa ny fitafiana nanaovany izay tena nahavariana sy nahasodoka ny maro tokoa. Marihina moa fa mpianatry ny Eccova vao navoaka izy ireo rehefa nianatra momba ny zaitra amam-bolana maro ary niatrika ny fanadinam-panjakana. Nampiavaka ity andiany ity ny fisian’ireo lehilahy maromaro izay niofana sy nandray anjara tamin’izany ihany koa, andiany faha-32. Nampianarina momba ny fanjairana kiraro sy poketra ihany koa izy ireo, ny decoration interieure ankoatra ny resaka lamaody mahazatra. Mbola hitety faritra maro hamoaka mpianatra moa Ramatoa Razanamanalina Volana filoha tale jeneraliny mandritra ity volana desambra ity ka anisan’izany ny ao Fianarantsoa izay nahitana mpianatra 2 tsy afaka.
Pati
Legende : Nandritra ny fitsidihana ny sangan’asan’ireo mpianatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT