Miisa valo mianadahy ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana BEPC izay hotontosaina manomboka amin’ny alatsinainy 18 jolay ho avy izao ho an’ny Akanin’ny Marenina etsy amin’ny 67 ha.
Ny enina amin’izy ireo dia ankizivavy avokoa. Etsy amin’ny CEG Betsimitatatra 67 ha ihany izy ireo no hiatrika ny fanadinana mandritra ny efatra andro. Anisan’ny mbola mampiavaka azy ireo ny fisian’ny mpampianatra iray handika ny laza adina amin’ny alalan’ny tenin’ny tanana, fangatahana amin’ny fanjakana izay tsy maintsy havaozina isan-taona. Tsy nahitana fiovana firy ny isan’ny mpiadina raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mikasika ny voka-panadinana CEPE manokana dia fantatra fa ny
enina tamin’ireo mpiadina miisa 12 niatrika no afaka soa aman-tsara. Nahitana fihenany io raha oharina tamin’ny taon-dasa, araka ny fanadihadiana natao. Fito izy ireo no niatrika ary roa no tsy afaka. Tsiahivina fa misy ihany koa ilay antsoina hoe : prevocational training eo anivon’ny AKAMA ankoatra ny fanofanana arak’asa ho an’ireo mpianatra hita fa tsy hahavita hatramin’ny farany ny fampianarana ankapobeny tanterahiny. Roa taona no fiofanana izay hahazoany mari-pahaizana mifandraika amin’ny zava-bitany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.