Actualités

Akamasoa Andralanitra 950 ireo mpianatra hiatrika ny BEPC


  • Alatsinainy 30 Mey 2016

Mahatratra 13.000 ny isan’ireo ankizy madinika ao Andralanitra misy ny Akamasoa, tanàna sahanin’ny Mompera Pedro amin’izao fotoana izao.

 

Ny 950 amin’izy ireo no hiatrika ny fanadinana BEPC amin’ity taona ity raha ny 330 kosa no hiatrika ny fanadinana  CEPE. Efa am-periny amin’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana tanteraka  izy ireo amin’izao fotoana izao. Mikasika ny fiainana andavanandro manokana dia fantatra fa mahatratra 10 taonina isan-kerinandro ny vary lanin’izy ireo. Mba ho fanohanana azy ireo ary dia tonga nanolotra fanampiana teny an-toerana ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina ny sabotsy teo. Akanjo mafana enina  gony, fotsimbary 30 gony, ronono 20 baoritra, menaka 20 bidon niampy kojakoja maro samihafa toy ny savony…no natolony tamin’izany noho ny fahatongavan’ny fetin’ny reny. Tonga nisolo tena azy teny an-toerana Ramatoa Rajaonarison Caroline izay nanantitrantitra fa tsy manadino ny vehivavy rehetra ny vadin’ny filoha amin’izao fankalazana ny fetin’ny reny izao, indrindra  fa ireo sahirana. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo mponin’Andralanitra izany. Tsiahivina moa fa tsy diso anjara tamin’izany ihany koa ireo ankizy izay voalaza etsy ambony  izay notolorana akanjo mafana sy vatomamy ihany koa.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT