Actualités

AKAMASOA Andralanitra 5 lahy nandroba « panneaux solaires »


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Lehilahy miisa 5 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Poste Avancé Manantenasoa ao amin’ny Akany Akamasoa Père PEDRO ny Sabotsy 29 Oktobra teo rehefa nangalatra panneaux solaires tao amin’ny Akany.

Ny 28 oktobra raha tsiahivina dia tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Polisy ireo tompon’andraikitra ao amin’ity akany ity fa very ny "panneaux solaires" nampiasain’izy ireo ny alin'ny 28 hifoha 29 oktobra tao amin'ny EPP Mahatsara ao amin'ny Akany ihany. Tsy niandry ela ireo Polisy tao an-toerana fa avy hatrany dia nanokatra ny fanadihadiana ary nikaroka ireo jiolahy ireo. Nahitam-bokany avy hatrany ny fitadiavana azy ireo noho ny loharanom-baovao maro hananan'ny Polisy sy ny fiaraha-miasa amin'ireo mponina eny an-toerana. Anio Alatsinainy moa no fantatra fa hiakatra fitsarana izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy dimy lahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT