Actualités

Akaikin’ny Antenimierandoholona Anosikely Nahatalanjona ny mpandalo ilay omby nifatotra


  • Talata 16 Novambra 2021

Nanaitra ny mpanara-baovao ny nahita omby mahia iray nifatotra tamina andrin-jiro iray tetsy anoloan’ny fivarotam-boninkazo sy ny vavahady andrefan’ny Parking an’ny Antenimierandoholona etsy Anosikely omaly

. Mbola eo ihany ilay omby amin'izao amin'ny 1ora tolakandro izao ary “Poteau” an'ny Jirama no amatorana azy, hoy ny fanehoan-kevitra tao amin’ny tambazotran-tserasera. Dia tena hoe nanomboka tamin'ny fotoana nifatoran'io teo ve dia tsy nisy olona na iray aza afaka nanaitra izay tomponandraikitra na mety hoe tomponandraikitra mihitsy? “Carrefour” mankany amin'ny tribonaly, lapan’ny antenimierandoholona, minisitera isan-karazany, banky iraisampirenena sy ny hafa rehetra eo akaiky eo fa aiza, hoy hatrany ny fanontaniana nipetraka? Miandry “Poteau” hianjera handratra olona sy hanapaka jiro sa miandry ny fahatapahan'ny tady mamatotra an'io omby io hijerena loza indray? Mahafaly anareo ve izany ilay atao hoe Madagougou sy babakotoland, hoy hatrany ny fanontaniana mipetraka ? Dia tena mahagaga tokoa hoe renivohitra firenena iray manakaiky ny andrimpanjakana laharana faharoa no ahitana omby mifatotra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT