Actualités

Aiza ny tamberin’andraikitra ? Tohanana 1,3 miliara Ar isan’andro ny Jirama


  • Talata 28 Jona 2022

Miverina amin’ny heriny amin’izay indray ny delestazy! Hazavana sy angovo tsy tapaka niserana 2 andro ihany no niainana nandritra ny fanamarihana ny faha-62 taona nahazoana ny fahaleovantena ny 25-26 jona teo.

Miverina tanteraka miaraka ao amin’ny rotorotom-piainana sy olana misavovona mahazo ny sarambabem-bahoaka ny fahatapahan-jiro. Tena azo natao ny nandefa azy tsy nisy fahatapahana tao anatin’ny roa andro fa olana be ny fanohizana izany ho fitsinjovana ny sarambabem-bahoaka? Roa andro ihany no fara-takatra sy fara-fahaizan’ilay Fanjakana? Miverina ny delestazy maharitra ora vitsivitsy na maromaro, 2ora farafahakeliny tamin’ny toerana maro teto Antananarivo sy ny manodidina omaly takariva. Ny eto an-drenivohitra aza moa, mbola mety afaka misitraka ihany na misy aza ny fahatapahana, fa ny any amin’ny faritra dia toerana maro no nilaozan’ny herinaratra hatry ny ela, misy ny zara raha misitraka adin’ny roa isan’andro. Ny any Ambositra izao, dia nivoaka ny filazana ofisialin’ny jirama, fa noho ny tsy fahampiana solika dia hisy fikorontanana ny famatsiana herinaratra ka ho tapaka amin’ny 4ora maraina-09 maraina sy amin’ny 4ora hariva hatramin’ny 7ora alina manomboka anio 28 jona. Ny any Sambava, noho ny tsy fahampian’ny solika dia tapaka teo anivon’ny GES nanomboka omaly fa hotapahana amin’ny 12 ora alina hatramin’ny 09 ora maraina, ary amin’ny 12ora atoandro hatramin’ny 3ora tolakandro. Ampahany ireny fa olana manerana ny Nosy. Isan’ny lesoka goavana tsy mahasintona mpampiasa vola ny resaka herinaratra eto kanefa vao ny 15% amin’ny Malagasy no misitraka kanefa tsizarizary. Toa efa lasa mitovy amin’ilay fomba fiasa sy fitaizana vahoaka amin’ny kiseheseho ivelany amina fahafinaretana mandalo ihany sisa ny fampiasana azy. Sarihina amina fampisehoana bôjy tahaka ilay rehefab mitety faritra ka ny lanonana aza mety handaniam-bola noho ny zavatra hafa atao. Adino ao anatin’ny 4 na 5 ora ny fahasahiranana, fa rehefa mody avy eo, dia miverina ao anatin’ny olana sy fahasahiranana mandifotr’olona. Toy izany ihany koa ny Jirama ankehitriny hoe : nositrahana roa andro, dia miverina ny olana. Nataon’ny Filoha ankehitriny fitaovana toa nampalazana tena ny delestazy tany Ambovombe fa rehefa tsy handray andraikitra ny Minisitry ny angovo sy ny Tale Jeneralin’ny Jirama dia izy no handray andraikitra. Tsy tokony hanaovana kabary « werawera » tahaka izany fa tonga dia ampiharina ilay vahaolana maharitra raha misy? Aiza ilay vavabe nilazana ny hafa fa nampiesona ka hamokarany 400MW ? Mila makany Ambatondrazaka, Nosy Be, Farafangana, Mahajanga, Toamasina,… ve izany i Andry Rajoelina vao hivaha ihany koa ny olana any?
HANDANIANA 1,370 MILIARA ISAN’ANDRO
Raha ny kajikajy, 1,370 miliara Ar isan’andro ny vola omena ny Jirama raha raisina amin’ilay 500 miliara Ar isan-taona. Tsy tafiditra ao anatin’io ny fampidiram-bola miainga amin’ny faktiora. Izao anefa no zava-misy. Marina fa mividy lafo sy mivarotra fatiantoka, saingy ny tena zava-doza dia be loatra ny afera maloto sy fitantanana tsy manjary. Isan’ireny ny fandaniana tsy ara-drariny, toy ny fividianana fiara voalaza fa lasan’ny mpitantana ambongadiny avy eo, ny raharaha fizaram-bola 1 miliara vaky bantsilana ny novambra 2021 saingy niniana nampanginina, vaky am-batolampy indray ny halatra solika 64 000 litatra fa iniana ampatoriana, vao tamin’ity volana ity ny raharaha zaridaina sy fanadiovana nandaniana 1 miliara Ar, ny fandanindaniam-poana efa ho manodidina ny 200 tapitrisa Ar misy fandaniana tsy mazava zava-pisotro sy tsakitsaky am-polony tapitrisa mahery.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT