Actualités

Airtel Namoaka ny 3.75 G sy ny Video call


  • Alakamisy 19 Jolay 2012

Tsy mitsaha-mivoatra ny teknôlôjia. Vokatra vaovao aroson’ny Airtel ho an’ny mpanjifa ny 3.75G sy ny Video call

 Fifandraisana interneto haingam-pandeha kokoa noho ny efa misy ny 3.75 G raha ny fanazavana izay ezahana haparitaka manerana ny Nosy mialoha ny faran’ny taona. Mbola ny eto an-drenivohitra sy Toamasina aloha no afaka manjifa azy amin’izao fa tsy ho ela ny any Mahajanga, hoy i Carlos Wendigoudi, Tale misahana ny fampiroboroboana ara-barotra ao amin’ny Airtel. Mihena 50% ny vidin’ireo “Modem 3.75G” hatramin’ny faran’ny volana izao raha azo avadika ho 3.75 G koa ireo “Modem 2G” teo aloha misy ny marika Airtel satria efa nomanina mialoha izao fanavaozana izao raha ny fanazavany hatrany.

Misy moa ny tolotra ho an’olon-tsotra sy ny orinasa. Fa vokatry ny fidiran’ity teknôlôjia ity koa dia afaka mifankahita an-tsary ny olona mifampiresaka raha samy mampiasa finday misy ny 3G. “Tsy vokatra tsotra fa tena tambajotra no entinay. Mahazo ny tombontsoa rehetra amin’ny interneto sy ny finday ny mpanjifa satria finday ihany dia efa afaka mijery fahitalavitra, mandray mailaka ary manao “téléchargement” noho ny teknôlôjia”, hoy kosa i Heiko Schlittke, Tale jeneralin’ny Airtel.

 

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT