Mba ho fanavotana ny ain’ireo mpiara-belona mandalo fandidiana na saro-piterahana manatona ireo hopitalim-panjakana toy ny hopitaly HJRA
dia nanolotra ra maimaimpoana ho fanavotana ny ain’ny mpiara-belona ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar tarihin’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanomezan-dra ny hetsika, nanomboka omaly haharitra roa andro. Hiarahany amin’ny « Centre Nationale de transfusion Sanguine » na ny CNTS ny hetsika niantsoan’ity orinasam-pifandraisana iray ity sy nanentanany ireo mpiara-miombon’antoka aminy ihany koa toy ny IBM, ny Madinterim, Nokia, Comviva, Maraison, Be Loyal et Ison izay nanome ra maimaimpoana ihany koa no fanehoan’izy ireo ny firaisankinany. Izany no atao, hoy ny tale jeneralin’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar Maixent Bekangba dia ny mba hahafahan’izy ireo mampiseho ny firaisankinany ao anatin’ny fihetsika tsotra nefa hahafahana manavotra ny ain’ny mpiara-belona maro ihany koa. Mila ra betsaka isan’andro ny CNTS nefa eny amin’ny foiben-toerany Andraharo no hanatanterahana izany. Ny volana desambra indray ny hetsika manaraka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.