Actualités

Airbus «ELATRA» Saika tsy tafapetraka tao Roissy Charles de Gaulle


  • Alatsinainy 23 Aprily 2012


 Nanana olana indray ilay Airbus A340-300 “ELATRA” omaly maraina nandritra ny fidinana hipetraka teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Roissy, Parisy. Nisy feon-javamaneno fanairana na «alarme» manambara fa tsy nivoaka araka ny tokony ho izy ny «train d’atterissage». Vokany, voatery nanohy ny sidiny nanodidina an’i Parisy ilay fiaramanidina, nialoha ny namoahana ilay “train” nikatso. Azo an-tsaina ny tebitebin’ny mpandeha tao anatiny vokatr’io tranga io. Olana teknika mpiseho ny toy io, saingy matetika loatra ny tsy fahatomombanana raha ho an’ity Airbus A340-300 “ELATRA” mitondra ny lokon’ny Air Madagascar ity, satria fanindroany izao tato anatin’ny herinandro.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT