Actualités

Airbus A340-300 faharoa Misy olana sahady koa ?


  • Alarobia 27 Jona 2012

Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato namin’ny sabotsy maraina ilay Airbus A340-300 faharoa ho an’ny kaompaniam-pitaterana nasionaly Air Madagascar, ho fanampin’ny “ELATRA”.

 Ity farany izay efa tonga tamin’ny alakamisy 12 aprily 2012. Raha ny re mantsy dia misy olana teknina hita amin’ity fiaramanidina efa ela nisidinana ity, amin’izao ankatoky ny handefasana azy aty Madagasikara izao. Misy fitaovana harafesenina, araka ny loharanom-baovaonay. Ezahina hovitaina alohan’io sabotsy handraisana ofisialy azy anefa io fahasimbana io, araka ny loharanom-baovao hatrany. Hitondra ny lokon’ny Air Madagascar ity Airbus A340-300 ho avy ity ary hitondra laharana Malagasy, saingy tsy ho 5RM toy ny mahazatra fa ho laharana hafa. Hijanona herinandro eto izy io aorian’ny fahatongavana hanaovan’ireo mpanamory gasy sy mpiasa ao anaty fiaramanidina fizaran-draharaha. Raha ny ahafantarana azy dia hisahanana zotra mankany Azia ity fiaramanidina ity. Mbola an-dalam-pandresen-dahatra kosa ny ahafahany misidina mankany Eoropa noho ny sazy baben’ny Air Madagascar noho ny fahanteran’ny fiaramanidina nampiasainy izay nanampy trotraka ny tsy fahampianan’ny fikojakojana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT